Hadisoana ve ny ahy? (Rary Nofy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hadisoana ve ny ahy?
Raha toa nandao anao!
Ry ilay olon-tiako tsy nahy;
Ilay tao anaty nofy tao.

Hadisoana ve ny ahy?
Raha hanadino anao!
Satria ianao tsy mandraraha;
Ilay fitia tao anatiko tao.

Hadisoana ve ny ahy?
Raha hanilikilika anao!
Fa tsy mety kosa lahy;
Ireny nataonao.

Hadisoana ve ny ahy?
Raha tsy hamaly anao!
Fa naleoko re nangina;
Tsy niteny na namaly;
Fa sao hankahalainao.

Hadisoana ve ny ahy?
Raha toa hitsikera!
Ireny nofiko nitsiahy;
Tao anatin'ny sokera.

Maharavo.A
--------
Lien:
915 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149