Hiaraka isika (Rary Nofy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIARAKA ISIKA
Ndao fa ho entiko eny ianao!,
Hiano-poezia,
Hianoka ny kintan'ireo mpianjoria!,
Hianom-pahasambarana,
Eo anilan'ny hazavan'iry...
Volana tomatatra.
Ndao fa ho entiko eny ianao!,
Hivezivezy,
Hirenireny,
Hirimorimo tsy misy fetra,
Eny ambony habakabaka,
Dia ahita ny rehetra,
Etÿ ambany tany.
Ndao fa ho entiko eny ianao!,
Hitazana ny tany,
Hanofinofy foana,
Hanofinofy mamy!,
Hanao toy irony mpaminany,
Mpaminany ny ho avy,
Mpamisavisa ny lasa.
Ndao fa ho entiko eny ianao!,
Ho eny an-danitr'eny isika,
Ho eny an'habakabaka manga,
Fa eny izao no fitaratra,
Fitarafana ny misy,
Eny izao no filamatra,
Hitarafana ny vitana,
Ny anjara!
Eny koa ny fibanjinana,
fandalinana,
Ny voatendry ho anjaranao.

Ndao fa ho entiko eny ianao!,
Entiko,hiaraka hankafy,
hiaraka hitazana,
Ny misintsika etÿ!,
Na ny tany ngazana,
Na ny rivotra mpifofo,
Dia samy ao daholo,
Ndao fa ho entiko eny ianao!,
(...)
--------
Lien:
1089 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1735