LEFITRO FOANA Raha toa i (Rary Nofy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LEFITRO FOANA

Raha toa ianao tsy tia,
Miezaka mampijaly,
Tsarovy ry Miangaly,
Fa ny ahy "Lefitro foana".

Na fanambaniana,
Na fanaratsiana!
Eo fa ho zakaiko ihany,
Satria fiainana an-tany.

Na tabataba,korontana,
Na rabiraby,haromontana!
Lefitro ihany raha ny ohatr'izany,
F'izaho tsy hitomany.

Na hiova ho tanimbary aza ny famoloana,
Na hivadika lohasaha aza ny tendrombohitra!
Ny eto mbola vonona foana,
Tsy hiova fo izany ,tsy miova hevitra.

Iray no tanjona,iray no teny;
Lefitro ihany raha ny taba ohatr'ireny!
Na aza miova ny vanim-potoana,
Raha mbola noho ianao:" lefitro foana".

RARY NOFY 23 Septembra 2018
A M B O D I V O N A
--------
Rohy:
1019 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105