Fitadiavana (fenohasimpitia)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitadiavana,

Any ianao ry tiko, any an-tany lavitra any
Izaho aty mametsovetso, lasa saina sy vinany
Mety ho sambatra enao, mety ho malaelo ihany koa
F'izaho aty dia mikalo, mikalo ny fitiavatsika roa


Toy ireny voronkely, tsy mba mana-namana ireny
Miantsoantso, misiotsioka, manjoretra tsy miteny
Fa malahelo anao mantsy, 'ty singan'olo-mahonena
Very saina toy ny adala, tsy mahay mamehy tena


Any mantsy ianao, mitady 'zay mba mahasoa
Hanangom-bola sy harena, hivelomantsika roa
Fa izaho eto miandry, manasoa ity akany
Hitoerantsika rahatrizay, sy hifanomezana ny mamy

Ra-Fen's
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
1690 0
Commentaires
hjravs ( 18/04/2015 04:30)
mahafinaritra ilay aingam-panahy
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145