NENINA! (fenohasimpitia)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NENINA!

Misy olona iray
'Zay notiaviko taloha
Nifamaly mantsy 'zahay
Ka navelako mitsy aloha

Tsara izy sady bikàna
Halavàna tsy lazaina tsony
Kinanjo voafitaky Satana
Ka naviliny ny fony

'Zahay 'lay nifakatia be taloha
Toa lasa mpifahavalo ankehitriny
Fa izy nahita Patabe tokoa
F'zà no very, tsy noraharahiny

Fa @zao fotoana izao
Toa mangata-maso indray
Izaho nefa tofoka sy lao
Ny zavatra nataony hatrizay

Hitako izy ankehitriny fa nanenina
Hay 'ty olona narahany efa manambady
Fa nabaribarin'i Rangah tsy nafeniny
Reto zanany sy vady

Very hevitra izy @zao
Mandinika izay teti-dratsy
Hoe: ahoana no ahazoako anao?
Fa ny vatako efa simba, misy tasy


Ny foko nefa ry sakaiza
Efa lasan'olo-kafa indray
Mahaiza mionona, mahereza
F'aleo aho hanaja vady @zay

Ra-Fen's
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - fiainana
2059 0
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 21/04/2015 08:45)
hi3 zay voa manodidina e!! aller retour ny fiainana koa
endrika01 ( 21/04/2015 09:05)
mety ny anao !hajao ny vadinao,izy no nandao anao fa tsy ianao no nanapaka ny tady!ary mety hiety raha atao vehivavy kounkou le manoratra,miraingoraingo tsara ra zazalahy! tiko lay aingam-panahnao.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : fenohasimpitia
Nampiditra : fenohasimpitia
Daty : 21/04/2015 08:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098