Hoan'i Neny (Finidy NyAndry)

Lu par hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha sendra mba miantso aho,
Meteza re hamaly e!
Tsy mbola lavorary aho fa
Mikiry ka mikiry;
Somary votsavava tsy mahateny firy fa...
Hiangavy fotsiny ihany hoe: hasoavy i Neny.

Fa fantatrao ry tompo izay efa nobabeny ah!.
Tsy miafina aminao fa irery izy iny teto;
Tsy nanankantenaina
Hanohana ara-tsaina fa
olona marefo;
Tsy nanana hiantàna.

Nisiki-ponidrery fa dada efa tsy tàna
Nizotra lalankafa, nandao ireo sombiniainy.
Fa i neny dia i Neny no nanolotra ny ainy
Hoan'ireto zaza.

Ka aoka Ray tsitoha ô,
Na sombitsombiny aza
Hasoavy neny
fa efa ampy 'zay
Dia...

Reneso foana foana hoa ny tonombavakay
Fa tsy manana hiantàna.
Zany an!...

Hasoavy neny fa...
dada efa tsy tana,
Hatreto mbola tsy hita...
Ny fikarohana azy mbola tsy mety vita.

Finidy NyAndry
Ambohimanarina
15/06/24
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - Fiainana
77 1
Fans: hery
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Finidy NyAndry
Inséré par : Finidy NyAndry
Date : 26/09/2024 19:29
Lectures
Lu par hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138