TEFEO (Finidy NyAndry)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aoka aho tsy ahalala ankoatran'ny manaiky
Na inona toa inona voasoritrao ho anjarako;
Aza avela akory haminany izay tsy haiko (aho) fa
Tefeo ahay hitony amin'ny kely am-pelatanako.

Mba ho sitrako avokoa izay tinendrinao rehetra,
Fa miara-miasa ireny, ahatonga ahy ho olombanona.
Ka...
Ampahalalao ny misy fa...
Tsy adala aho raha nitoetra
Fa niandry izay voalahatrao avy any am-para lalina.

Kanefa re ry Ray, raha reraka aho anio
Raha resy sady fefiky ny rivotra mahery.
Faingana dia faingana, avia re atonio
Mba tolory tanana aho fa aza avela ho very.

Manko taminao no efa nametrahako,
Ny manontolompiainako anio sy rahatrizay.
Ka na anio na ampitso tsarovy re ny anarako
Reneso ny antsoantson'ny tonombavakay.


Finidy NyAndry
Ambatoroka Faha 25 May 2024
--------
Lien:
54 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Finidy NyAndry
Inséré par : Finidy NyAndry
Date : 26/09/2024 18:50
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135