Vahaolana (Fongasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nisy niteny hono fa hoe tany ho anyNisy moana nibitsika tamin'ny marenina
Ary gaga ny jamba nahita an'izany
Talanjona teo,tsy nisy ho tenenina
Sondrian-torimaso ilay lehilahy iray
Natory teo amorom-patany
Dia mbola nanonofy izy izay ela izay
Efa kilan'ny afo ny antsasan'ny vatany
Ity koa misy hafatra ampita
Hialana amin'ny lesoka iaraha-mahita
Amin'ireo karazana tranga politika
Miseho isan'andro eto antananan-tsika
Nyfahombiazan'ny mpitondra?.......
Tsy miankina amin'izay nianarany
Fa ilay R napetraka tamin'ny anarany
Rehefa tsy misy R ny anaran'ny mpitondra
Vao hisy ilay hoe Gasikara diamondra
Izao'zao ny malagasy
No manjary mitondra faisana
Tsy aleo ovaina hoe FONGASY?
Mandehana mankeny amin'ny firaisana
Ny anton-diako hoe hanova anarana
Ho an'ity krizy tsy mety hifarana
Fa raha tsy miova io tsy tafavoaka
Mandentika ankady mambotry vahoaka
Dia alaivo ny taratasy
Dia ovay ilay anarana hoe FONGASY
Avy eo ianao vao miasa fa vita amin'izay
Ho ela velona anie ny tanindrazanay
Dia ho inona koa moa no hiasan'ny lohanay
Rehefa miova ny anaran'ny filohanay
Ho mamy hatr'amin'ny fihavanana
satria samy tototry ny fiadanana
Raha hatr'izay ny anarany mpitondra ao ambony
No tsy misy R amin'izay
Dia hizaràna vola amin'ny gony
Ny malagasy tsirairay
Ary mety tsy hisy an-ky sinto mahery
Fa afaka mandeha irery
Tsy hisy hitomany fanampiana
Fa milamina tsy misy izay ahiana
Raha manan-ko lazaina mitenena
Fa iaraha manavotra ny firenena
Soson-kevvitra ny ahy,izay 'lay fika
Ho antsika mpanao politika
Io hoy aho isay ihany tadidio
Esory amin'ny anarana io R io
Nahatonga ny gasy hahantra hatry ny ela
Soloina ny mpitondra fa mbola io ilay R tavela
Na tamin'ny faha mpanjaka izany
Na tamin'ny fotoanan'ny fanjanahan-tany
Izay nitondra antsika mandrak'androany
Dia misy R amin'ny anarany ihany
FONGASY
--------
Lien:
Catégorie :
Fiaraha-monina