TSY HITA AKORY (HARY MENJA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HITA AKORY

Tsy hitako akory tsy fantatro mihitsy
ny anarany foana no omem-boninahitra
ny feony fantatro sy efa reko
fa ny salovan-tavany tsy hitako hatreto

Ny toetoe-piainany tsy azoko veroka
kizintina ve sa mba malemy paika
vinavinaina fa ho any fa ho any
dia mapionon-tena amin'ny ho hita eo ihany

Eny zaho foana koa ity no miampanga tena
fa izy any koa ange tena torak'izany
manao ankamantatra tsy misy valiny
fa maizina loatra ny saromboaliny

Raha mifankahita tokoa moa dia ahoana
eny e!hifanolo-tanana sy hifampitafa
avy eo adin-tsaina no enti-miverina
kanefa aleo izay toy izay any lavitra no hanerinerina

HARY MENJA
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
965 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : HARY MENJA
Inséré par : kristoff
Date : 18/12/2007 09:41
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138