ny fitiavana ? (HASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny inona no ambony indrindra, ny fitiavana malala?
redareda mbola vao fa nony tonta mamanala

ny fitiavan-tena izany, fa io no tsy mba misy fetra?
nefa ho afaka hanony ireo 'zay matin-ketaheta

ny fitiavan-tanindrazana, io no tena fara-tampony!
masina eo am-pikasana fa nafoin'ireo voakapony

ny fitiavana ny tompo, Andriamanitra nahary?
tsy misy afaka mitia izay tsy hita miharihary

aoka...! angamba, ny fitiavam-pahendrena?
fa tsy mbola tojo anao ny fofom-bola sy harena

ka fitiavana inona ary, sa fitiavana sakafo?
sa korana sy lalao, sa ny haingo tena lafo?

tsia! fa maro ny fitia nahasongona azy ireo
matoa tsy vitsy no nikoy fa efa boboka sy leo

...

ireny retraretra ireny no tandindon'ny "filana":
ny fitia ambony indrindra, dia ny fankahalana.
--------
Rohy:
4254 2
Hevitra mandeha
ZAKAIOSY ( 31/07/2013 21:00)
Kanto dia kanto e, fa tsy takatro hoe nahoana no ny fankahalana no fitia ambony indrindra.
Tena matoky aho fa tsy ho afaka eny ambavan'ny mpankafy ny haisoratra malagasy sy ny tononkalo ny anaranao atsy ho atsy. Tohizo hatrany dia miandry ny manaraka indray e !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 31/07/2013 16:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144