Poety (HASINIONY)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Takoritsika manako, ny kalokalon’ny poetyMamohafoha indray ny ela, eny an-tobin’ny maraina
Horakoraky ny nofiny, tomandava toa tanety
No iraketany ny misy, onjan-tsiky sy taraina
Ny ambiroany injao mikopaka, misidisidina tsy miato
Ny retsiky ny fahagola, no ibanjinany ny ho avy
Angaliany amin’ny teny, hanatratra irony kanto
Miakoako ny angotiny, sovo-drivo-mampanavy
Angolangola tsara pirina, no ngononony ho vazo
Izay tsy hita noanoa, no ambarany fa bitika
Ireo diarangotry ny fony, no fanefitry ny tazo
Ao anaty hakamoany, no anovozana ny vitrika
Hafahafa ny poety, ka voapanga ho mpandrogony
Na mba miezaka mamikitra, tsy ho lavo na hianjera
Ireo fanosoram-potaka, 'zay manorika ny fony
...no zary vakoka madiry, iraketany tsikera.
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Fans:
Rafieritreretana - hasiniony