Fasam-poana (Hatenaina)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andray !voadona indray ny foko
Jereo ity izy mitoloko
Fa voakitika ilay fery
Mandatsa azy ireo mpijery

Mitelina ahy ny omaly
Mandatsa ny androany
Mamingana ahy ny ampitso
Rahatrizay toa hazim-pito

Nandositra ahy ny fifaliana
Nivahiny ny fahoriana
Lasa namako ny sento
Fasam-poana ny ahy hatreto

Mangidy ireo nateliko
Lali-paka ireto feriko
Mavesatra ny ziogako
Kotsa foana ny ondako

Malama koa ny lalako
Tsy misy azo hamaharako
Fa ondam-bato angamba sisa
Ny ahy ny atao hoe " paradisa"
--------
Lien:
Catégorie : Fahafatesana
1108 1
Fans: Hatenaina
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.013