Mangata-dalana (Hatenaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana aho no atao hoe marary izany saiko?
Raha izany re no izy ,tsy hotaperiko ny aiko
Ka ho diso aho ve raha hamarana ny fiainako
Fa mangidy loatra re e!mangidy be ny iainako

Ho fahotako ve ny faniriana anao ry rangolahy?
Dia ho heloko ary ve ny handao ireo tia an'ahy?
Fa raha navadiko ny pejiko in'arivo tsy hita isa
Dia ny ondam-bato angamba sisa ny ahy no paradisa

Fa raha ny aretin-tsaina no tsy ahazoana fahasambarana
Dia aleo aho mba handeha , ka mba mangata-dalana
Rafahafatesana ô!Inty aho miantso anao ka mba iantrao
Ka raha mba sitrakao dia alaivo aho izao dia izao

Fa raha ny tenako mahantra efa vonona ny handeha
Efa tena vonona aho , efa hatramin'ny ela be
Tena tapa-kevitra aho ny handry am-piadanana
Koa veloma dia masinà re ry tapaka sy namana!
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
997 1
Hevitra mandeha
katrynah ( 17/02/2020 15:15)
Fa na hamono tena tahaka n inona ary, rehefa tsy andronao dia tsy maty zany
katrynah ( 17/02/2020 15:15)
Fa na hamono tena tahaka n inona ary, rehefa tsy andronao dia tsy maty zany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Hatenaina
Nampiditra : Hatenaina
Daty : 09/11/2018 13:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098