Raha mbola misy (Hatenaina)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mbola misy azo hambaraKa azo avalona ho tantara
Raha mbola misy azo henoina
Sy anarana azo hiantsoana
Raha mbola misy azo hombana
Raha mbola misy ny hazavana
Mba hisandratan'ito foko
Sy hampitraka ireo manjoko
Raha mbola misy hantenaina
Ka ny andro hihamaraina
Dia hipoitra ilay masoandro
Ary hibaliaka indray ny andro
Eny,raha mbola ao ilay Ray
Dia tsy ho mandrakizay
No hirotsahako tomany
Sy hangirifiry sesilany
Raha mbola ao ilay ao ambony
Mpandrotsirotsy izato fony
Dia manantena aho rey olona
Fa mbola hifaly, tsy hiolonolona!
--------
Lien:
Catégorie :
fanantenana
Fans:
Hatenaina