Tsiarom-pitoniana (havotraniaina)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha teo ianao ry Neny,Dia niaraka teto isika,
Nankalaza tsingeritaona,
Nahaterahanao.
Fahatsiarovana sisa,
No hany azonay atao,
Fa nisy ianao ry Neny,
Nitondra sivy volana anay,
Tao ny tsiky sy tomany,
Niarahanao taminay.
Mino izahay, fa tsy nanenenao,
Ireo ady mafy, izay nolalovanao.
Ireny no nanefy, firavaka ho anao.
Koa raha tonga ny aloka,
Tsy nampilofika anao.
Namela mamy ianao ry Neny,
Nampianatra anay,
Nanoro ny lalak’ombana,
Tsy hampivarina anay.
Vita ny anao, sambatra ianao zay,
Ireto ankohonanao, mangataka amin’ny Ray.
Mba tsinjovy re ny dia sy ireo ady hatrehanay.
Dia ho mpandresy izahay, tahaka Anao ry Ray.
--------
Lien:
