Aleoko foana ihany (Herilanja RANDRIAMANGA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleoko foana ihany tsy miteny alohaHiafiko foana ihany izay mitranga eo
Fa raha ny ataony any dia mahavaky fo
Zary mahakivy sady mankaleo
Aleoko foana ihany hiafina eto
Fa efa izy ihany no anjara ho ahy,
Na fahoriana aza no niainako hatreto
Mino foana aho fa tsy ho mandrakizay
Aleoko foana ihany mionona mangina
Hotazomiko ao ihany ilay fitia anatiko ao
Fa ny tokatrano hono natao hiafina
Ka ho tsapany eny ihany izao rehetra izao
Aleoko foana ihany miandry azy ato
Averimberiko azy irony sangisangy
Na efa aiko aza fa mety hotorabato
Fa rehefa leo ve izy tsy anambitamby
Aleoko tsy mitrahatra mivavaka ho azy
Raha mbola misy koa ny atao hoe fofon’aina
Ny ahy iny tsy adalana fa vady mariazy
Ka manantena aho fa mbola hoavy ilay maraina
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana
