Alina mangina (Herilanja RANDRIAMANGA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alina mangina manainga ny vinany
Tonga mahasina ny eto ambonin’ny tany

Tain-kitana mandalo ny volana balika
Ireo namana mpikalo toa tsy misy hita
Ny feon’ny angely, ny rano mikoriana
Sy rivotra mihely no mahavariana

Fotoana iray mihavaka, mahalasa any ho any
Mampanofy an’abaka nefa eto an-tany
Mampiheritreritra sy maha-tsy tafandry
Fotofoton-drivotra no sisa mianjady

Mangina eny ho eny fa maizimaizina daholo
Toa tsy aki-teniteny toa moan any tontolo
Ny volana ihany no mba manazava
Toa mangina koa ny tany fa toa tsisy ny kotaba
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
454 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115