Iza marina... (Herilanja RANDRIAMANGA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
miezaka aho mamantatra, anoloan’ity fitaratra,
Fa iza marina hoy aho.
io olona mijery mandinika irery
izay ao an dohany ao.

iza no mba tiany, izay rehetra faniriany
misy anarana ve any
izay tiany holalaina sy ny hira tiany hiraina,
mba misy ve izany

taiza no niaviany, ahoana ny fisiany,
mba azo tantaraina,
Sa olon’olom-poana, mpandany ny fotoana,
Tsy misy antenaina.

Dia ahoana ary izany no mety hiafarany
ianao ve mahalala,
toa malahelo lava, mitomany toa zaza,
Maro mpankahala.
--------
Lien:
Catégorie : Eritreritra mandalo
257 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0122