Maina sahady ve, (Herilanja RANDRIAMANGA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maina sahady ve,Ny ravina nihinanana?
No zary te- handeha,
Tsy azo mba hotanana
Hadino irony voady
Sy teny ‘zay nomena
Nilofika sahady
Lay hazo novolena
Niova ho mangidy
Irony teny mamy
Lay olona finidy
No hampitomany
Koa hangina zato foko
Fa gina sady sina
Higoka ny toloko
Hilaozan’olon-tiana
Masina ka masina
Ianao ry ‘lay handao
Hahita olon-tiana
Sy randram-baovao
--------
Lien:
Catégorie :
Fisarahana
