Teto … (Herilanja RANDRIAMANGA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teto no nitsiry ilay fitia izay nankadiry... efa ela izay.Ilay fitia izay nifamaly, ilay fitia toy ny vao omaly... ilay fo tafaray,
Toa nifaningotr'aina zary sombinaina... ary silaka fanahy..
Ka nitia tsy mba nihaotra sady tsy natahotra... tsy mba niahiahy.
Teto izahay no nikalokalo indray... ilay hodoria,
Niventsoventso fa hiaraka ka raha izay hisaraka ... dia sanatria,
Ka vonona fa samy hanandratra avy hatrany... ilay tena fitia,
Fa samy tena tia toa an’ i Roma sy July... nifanaiky ny hiara-dia.
Teto koa izy no nilaza, tsy mba nihambahamba... fa any ambadika any,
Misy voninkazo iray izay tiany mihoatra ahy... tokana eto an-tany..
Dia iny izy fa nandeha sady toa nihomehy... ka any no nakamamy.
Namela ahy ho irery izay nangina tsy nahateny... rotiky ny tomany...
Teto aho androany namisavisa izany... izany ny fahiny,
Latsa-dranomaso fa potiky ny ankaso... nofy sisa iny,
Zary tsisy nenina ary tiako haverimberina... ireny ankehitriny,
Saingy aleoko miova vao toy ny nataonao... ka aza homena tsiny...
--------
Lien:
Catégorie :
Fahatsiarovana
