ASAKASAKAREO (IARANTSOA Mahefa)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ASAKASAKAREO

Asakasak ireo tsy miraika
amin' ny antson' ilay olon-tiana.
Asakasakareo 'zay tsy maika
hamonjy ny tany fodiana.

Asakasakareo tsy hamaly
ny hiakan'ny fo sasa-miandry.
Asakasakareo hampijaly
'lay tiana tsy tafandrimandry.

Asakasakareo 'zay tsy manina
miseho tsy ho tratry ny nenina.
Asakasakareo mody fanina
antsoina manao be marenina.

Asakakareo sahy hitsipaka
ny lohan' ny laka-nitana.
Asakasakareo' zay hanitsaka
ny dina sy voady mafana.

Asakasakareo fa...
ny fitiavanareo mora maty
motontona dia miparasaka...
Fa ny anay tafalatsaka anaty
fitiavana tsisy asakasaka.

IARANTSOA Mahefa
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
856 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : IARANTSOA Mahefa
Inséré par : iarantsoamahefa
Date : 12/11/2019 14:02
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0197