BAVY A (IARANTSOA Mahefa)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Reko indray akia ry bavy ianareo nisaraka a,
Nisinisy indray angamba ny ranomaso raraka.
Fa ny anareo kosa ef' ho lava e, efa mahazatra
anio toa tsy ho faty dia rahampitso mifandratra.

Tsy omeko herinandro na atao hoe tapabolana
dia indreo hifampitosy fa niravona 'lay olana,
tsy zazakely intsony re ireto vata-benareo
Ka aoka mihitsy angamba f' efa tena mankaleo.

Irony ompa sy ny latsa miampy antso tody
aretina mahazo tsy ahitana fanafody.
'reo ozona navoaka voady maro izay natao
ary impiry izay no hoe fiaingana vaovao?

Na izany aza anefa mitonia dia mba mangina e
tiavo eny foana hereto ihany rehefa tiana.
Tsy mamporisika aho nefa moa tsy hoe mandrara
tanteraka eny foana akia raha toa ka efa anjara a.

2017
--------
Lien:
282 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017