GASY LEITSY IALAHY (IARANTSOA Mahefa)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Gasy leitsy ialahy ,mba hajao ny tenin-drazana,
aza ny an'ny hafa no vonjena hiantsampazana.
Mba miangavy leitsy! aza dia ambaniana,
tsy hiala tsy ho gasy ialahy na oviana na oviana.

Gasy leitsy ialahy , ka mba hevero tsara
hoe teny toy ny ahoana no lovain’ny ao afara?
Moa ve ny teny gasy ilay tena tenindreny,
sa ho teny hafahafa tsy ny tenim-pireneny?

Gasy leitsy ialahy , eo mba saino vetivety,
hoe hiandrasana an'iza no hanitsy izay tsy mety?
Anio tongava saina,meteza ialahy hitroatra,
Mantsy rahampitso, sao dia efa taraloatra.

Gasy leitsy ialahy a, etsy misikîna hery
‘ndeha hiaraka hamerina ny hasiny efa very.
Ny lahateny am-bava sy 'reo kanto an-taratasy
mamy ange leitsy ilay tena teny gasy .

Fa lovako io,lovan'ialahy,tena lova miezinezina
ka aza be haitraitra fa ny antsika aloha fehezina.
Adidintsika leitsy a, na kely ialahy na lehibe.
Tsy mahamenatra io, mainka aza rehareha.
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana - Aingam-panahy
219 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : IARANTSOA Mahefa
Inséré par : IARANTSOA
Date : 20/07/2023 17:16
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147