INY OLONA INY (IARANTSOA Mahefa)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny olona iny izao manantena anao hiverina tsy ho ela.
Saingy ianao nandao tsy mba azony fefena.
Mbola ao am-bavany ao
Ilay oroka natao
an-tsokosoko tao,
indrisy,toa karazana talaho mba hijanonanao.
oh ilay fipitrapitrany…
mitomany izao iny olona iny!
Fa raha ny tena tiany eny tsy mba sitrany
Ianareo nifankahita
Toy ny sary indray mipika
tsy mba nisy zava-bita,
toa tselatra fitia.
Ianao nefa aty, miharihary loatra
fa efa misy fiainana tsy afahana manoatra
ka tsy afaka mitsoaka.
Mazàna miady varotra
saingy tena sarotra.
Malahelo koa ianao
saingy tsisy azo atao.
Takatakatro avy teo ny fahorianareo.


14 Aogositra 2017
--------
Lien:
Catégorie : Embona - Aingam-panahy - Fitiavana
285 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : IARANTSOA Mahefa
Inséré par : iarantsoamahefa
Date : 14/09/2023 10:18
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0518