MBOLA TIAKO IANAO (IARANTSOA Mahefa)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola tiako ianaombola tiako foana,
fa nahoana?
...tsy haiko
tsy voazavako,
lehibe loatra ngamba ny fitiavako.
Tsy ombako teny lava,
fa miariary sy mazava
ny foko mankafy
mbola te hitia,
tsy mahay mangina
fa mbola te ho tiana.
Eny e ,tiako ho fantatrao
fa MBOLA TIAKO IANAO.
2013
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana