MIAROVA TENA (IARANTSOA Mahefa)

Lu par hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry ampela tia midola,
tsarovinao fa mbola
tsy niova tsy nipika
ny zotram-piainantsika!

Ho rendrika sy tola
ny rendra sy ny angola,
na ny tena manjopika
na ny bikanao sariaka!

Ry tovolahy mpivena,
tsy laitra nofefena
fa miliba sy mitety
lohasaha sy ny tanety!

Mirija ianao ekena
saingy indrisy mahonena
mba saino vetivety
ny kodiarana sarety!

Manao ambony ambany,
miovaova toy izany
raha te hankamamy
ny tsiron’ ito tany!

Saingy …
ho boboka sy sola
Ny bika sy ny vola,
Ka ny hafatra omena:
MIAROVA TENA.

2019
--------
Lien:
278 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0182