MITRAKÀ (IARANTSOA Mahefa)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitrakà ialahy sakaiza raha nataony toy ireny,
Mitrakà ialahy sakaiza raha toa ka tsy nekeny !
Fa tsy tovovavy iray no hanamaloka ny tava,
tsy tovovavy iray no handrodana handrava !

Fa venteso hatrany ny antsan’ny fitiavana,
dia venteso hatrany na navaliny fandavana.
Halaviro lavitra ireo karazan-kira mitoreo,
halaviro lavitra fa dia manandrata feo.

Ary dia ataovy fantany ny herin-tsain’ialahy,
tena ataovy fantany ny atao hoe lehilahy.
Hevero ho toy tsisy ny momba azy teto an-tany
hevero ho toy ny tsisy , fa vitantika izany !

13-Oktobra -2012
--------
Lien:
280 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016