NY SORATRAO (IARANTSOA Mahefa)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sondriana mankafy ny asa soratrao
ny lanitr' an-dolohako sy tany be hitsahiko.
"Inona no banga tsy ahefako toy izao?"
hoy ny dradradradran' ny fo amam-panahiko


Toa sora-mankadiry mitetitety taratasy,
tsy misy azo kianina, tsy misy iray mipika.
Ny peninao toa zanahary, fa ny ahy mangasihasy
mandrefy ny elanelana tsy hitovizantsika.


Dia mianoka tsy miolaka ny masoko variana
entinao misidin' eny an-danitr' andrarezina.
Velon-drevirevy sy injay maminavina
ny isan-jana-tohatra mbola hotetezina.


Mivandravandra loatra mananika vovonana
ny lentan-tsoratrao, fa ny ahy toa fakofako,
ka aza tsiny indrindra mametraka fifonana
fa velon-tsiriritra hatrany anaty rako.


Novambra 2015
--------
Lien:
245 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : IARANTSOA Mahefa
Inséré par : iarantsoamahefa
Date : 14/09/2023 10:25
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152