TADIDIKO (IARANTSOA Mahefa)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tadidiko tsara ny teny nomeny
sy 'reo lokaloka fanaony hirahira.
Adala ny foko natoky an' ireny
fa hay mpisoloky sy mpamiravira.

Raha voady sy toky efa maro no re
be 'reo nilaza hitana ny teniny,
saingy tsy ahoako fa fantatro hoe
hivoaka eny ihany ny ratsy nafeniny.

Aleo hampijaly sy hamitaka ihany
fa mihevitra ahy ho jamba sy moana.
Aza tratrako fotsiny fa hitomany
hiantsoantso ny anarako foana.

2016
--------
Lien:
Catégorie : Embona - Fananarana - Fitiavana
236 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158