TANDREMONAO (IARANTSOA Mahefa)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tandremonao malala
sao misy manadala
ka miarak'aminy any,
fa dia misarak'avy hatrany.

Tsy asiana teny betsaka,
tsisy lava resaka
fa rava eo noho eo;
mahareta ny anareo.

Malala a,tena sanatriaviko,
tsy ny ratsy no tadiaviko
fa ny tiana no tenenina
raha efa nisy aza afenina.

Tsory amiko eto izao
mba hamelako anao,
ny lasa azoko leferina
fa aoka kosa tsy hiverina.

Tandremo ny any aoriana
sao manao fanahy iniana
fa ataoko mapamangy;
ny foko tsy misangy.


22-Aogositra-2014
--------
Lien:
247 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : IARANTSOA Mahefa
Inséré par : iarantsoamahefa
Date : 20/09/2023 09:19
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143