TIAKO TALOHA (IARANTSOA Mahefa)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satria ny amintsika efa rodana ihany
ka dia aza tsiny raha toa ka handao.
Hamafa ny lasa sy hanorina akany
honenan 'ny foko any lavitra anao.

Hatreto aho nitia tsy nanisy fepetra
hanandratrana anao tsy hanan-tsahala.
Nanaiky nilanja ny zioga rehetra
saingy mazàna toa anjorom-bala.

Tsy teliko intsony ny kapoaka mangidy
niaretako teto sy nandrotika fo.
Niezaka hatrany aho ka afaka adidy:
veloma masîna ry tiako taloha.
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Fitiavana
308 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : IARANTSOA Mahefa
Inséré par : iarantsoamahefa
Date : 20/07/2023 18:18
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146