Ampidiro aloha ny tenimiafina
DIMY ihany (Iavotra RAMANAMPAMONJY)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DIMY ihanyDimy ihany ny litera
tiany fony ho soratana
fa sao ho diso be tsikera
reo mpiventy tonon-kafatra
dimy fotsiny efa ampy
tsy ilaina antoko amboniny
dia hinoany hiantsampy
aminao ny ngoningoniny
ao am-po
fa fitia litera dimy
ny hoe tiako dimy koa
izany ngamba tsisy tsiny
ra hivoaka avy ao am-po
ho aminy iany...reo litera
Iavotra
--------
Lien:
Catégorie :
FITIAVANA - Aingam-panahy
