Valin-taratasin-drafilahy (Ifanomezantsoa)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VALIN-TARATASIN-DRAFILAHY

Fa tany ho any ialahy
nandindona ny fiainany
nandombo ny fisainany
'zay zavatra tsy hita
toy ny toky efa vita
Fa tany ho any ialahy
nitsakotsako ny fahiny
namolavola tsiny
sy ny ela efa rava
lavenona no sisa
dia mbola mila kisa1
Fa tany ho any ialahy
nanemboka ody gasy
mba tsy hifindrany lasy
sy hiverenany ao am-bala
Saingy aiza izy izao?
moa ny fony mbola tao?
Fa tany ho any ialahy
ninia nanozongozona
sy naminavina ozona
ho anay izay tafatambatra
saingy teny tsotra lesy
mahaiza mionona fa resy

Ifanomezantsoa
in Sangodina
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
215 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158