Ampio aho (Ikalamako)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Intsony aza aboraka hoe mbola tia ianaoIntsony aza tairina ny foko nahay nionona.
Fa ampio aho hanodina ny saiko
Tsy hiampita, na monja indray mandeha,
Hitety irony lasantsika.
Fenoy an-dohanao
Ireo tsy nety vitako noho ny foko diso tia.
Odio tsy nisy ilay
Fitiavako nisisika, tanatin’ny fonao tia milalao fitia.
Hanampy anao izany
Hanosika sy handoro ny avelon'ny fisiako.
Fa raha iny ianao nandrindrina ilay varavarana,
Nanapaka ny rohy, nandroaka sy namarana ;
Dia teo no nifanaiky izaho sy Rafitiavana
Fa na aiza na rahoviana
Izaho tsy hitady Azy intsony ary Izy hanaja izany.
Fa ny fitiavanao, ny fitiavantsika, ilay ato am-poko farany,
Izy no hany vatsiko raha hiala eto an-tany,
… efa nivoadiako taminao izany.
30 novambra 2025
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
Djess
