Hiverina eto indray 2.0 (Ilo NANAHARY )
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIVERINA ETO INDRAY 2.0Dia tonga tampotampoka,nandom-baravana
Ny aloky ny maty,sy ny antso avy any an-danitra.
Tapitra ny iraka,ka mila fitsaharana.
Rehefa nihazakaza,fotoana maharitraritra.
Dia lasa sy nandao ity tany be ankaso.
Tsy afaka nandà,ny tinendry efa voalahatra.
Ny aina nifamoy,namonto ranomaso.
F'isika asa-tànana, ka tsy afaka hiady varotra.
Dia ho levona sy ho rava ,ny nofonao maliha.
ny lasanao rehetra,mipetraka ho tantara.
Mandria am-piadanana,veloma soava dia.
Hinoako marimarina,Fa ao afarafa...ianao.
Hiverina sy hiaina,amin'ny vatana vaovao.
Any indray andro any,hiverina eto indray...ny fanahinao.
ilo NANAHARY
02 aogositra 2022
--------
Lien:
Catégorie :
Fahafatesana - Fisarahana - Alahelo - Fiainana - Aingam-panahy - Fisarahana - Alahelo - Fiainana - Aingam-panahy
Fans:
ilonanahary
