Mirary soa (Ilo NANAHARY )

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mirary soa

Reko haninkeo fa...
andronareo roa Zao andro androany izao,
Hafatra ho ambarako raha toa ka sitrakao...
hiaino ahy vetivety monja.
Fa hafatra mafonja kanefa tena tsotra no teny hambarako eto.
Eto aho dia misento ary latsa-dranomaso misefo eto am-pandriana.
Ianao anefa izao...
henin-kafaliana ary sambatra aok'izany miondana ao an-tratrany.
Eto aho miteny irery hoe...
Asa raha fantany fa any alavitra any,
misy fo marary sy bongobongo maso.
Manetsetra fotsiny tsy afaka manohatra fa...
hotsa-dranomaso maniry anao mangina.
Ianao anefa izao...
Migoka ny hamamiana sy sambatra tokoa.
Eny aky malala a!
Rediredy ny ahy fa...eto aho mirary soa,
Mirary anao tanteraka ho sambatra eo anilany.
Rediredy ihany izao teniko eto izao fa...
Ianao aza efa silany sy vita fato-maty
Mirary soa hatrany ny fiainareo roa,
ho fitia lamban'akoho sy ho mandram-pahafaty.

Ilo NANAHARY
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - Fiainana - Fitiavana
30 1
Fans: ilonanahary
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ilo NANAHARY
Inséré par : ilonanahary
Date : 11/07/2026 09:15
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0116