Mitia an-jotra (Ilo NANAHARY )
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITIA AN-JOTRA...Iny fa nipoitra,ny marim-pamantarana.
Anjotra indray ianao...
Nipoitra ny sary,niseho Koa ny anarana.
nibitaka hafaliana,ny tao am-poko tao.
Saingy tampotampoka...?
Nagaina samirery, 'lay fo nangetaheta sy efa sasa-niandry.
Minitra roa na telo ianao dia(...)tsy an-jotra sahady...
Dia toy izany foana,ny fijalian'ny foko efa nangetaheta.
Mitia mangina hatrany,sy toa tsy misy fetra.
mangetaheta foana,hiresaka aminao.
Misikotra eny ihany e...
Manontany izay vaovao,
F'indrisy ianao toa tsy namaly.
Dia izaho nangaina teo...
Nitia mangina teny,'lay tia tsy mety leo.
Manaranaramaso ny rindrinao matetika an'alina mangina.
mitia anao an-jotra,no hany sisa hataon''ity fo maniry ho tiana.
Fa tsy norarahiana...
Ilo NANAHARY
ilo NANAHARy-Tononkalo
Febroary 2019
--------
Lien:
