AN ' ERITRERITRA ANY (janahary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
An'eritreritra any
Salovana manjohy
Mifikitra ao an-tsaina

An'eritreritra any
Tady mampitohy
No koa firaisan'aina

An'eritreritra any
Itoeran'ireo tsiahy
Ny mamy sy ny ngidy

An'eritreritra any
Ianao manembona ahy
Miserana an-tadidy

An'eritreritra any
'Reo nofinofy mamy
Tsy afaka eo am-bavako

Fa ny eritreritro ihany
No afaka mamaly
Ny embonao rahavako

Janahary
20/02/09
--------
Rohy:
1154 0
Hevitra mandeha
hery ( 13/12/2012 23:02)
Ary iza indray ilay janahary?
kiriah ( 14/12/2012 14:01)
ankizy namanay ao amin ny FB ao izy io dia mba nozaraiko kely eto ny tnklony fa tiako ( Ratolojanahary Daniel Sylvain ) no tena anarany fa anarana entin ny asany fotsiny lay hoe : janahary.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : janahary
Nampiditra : kiriah
Daty : 11/12/2012 21:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148