INY LALANA INY (janahary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
.

Rehefa izaho mandalo amin'iny lalana iny
Fafazan'ereikerika mahalana fitaika,
Miverina eo imasoko ny sarin'ny fahiny
Isika roa 'lay miaraka mizotra, tsy mba maika.
... Iny lalana iny no hany sisa mitahiry
Ny tsiaron-dasantsika izay voatototra any ho any,
Lalana mahitsy sady tsy mivilivily
Nodiavintsika an-tongotra, nianohana ny mamy.
Ianao 'lay niantahanta sy nidongy hosakambiniko
Mizotra an'iny lalana mitondra antsika mody
Nony akaiky ho tonga dia misisika hofihiniko
Satrintsika ho lalana mitohy fa tsy ho tody.
Ny fiedinedintsika tam'izany teny an-dalana
Lavitra alahelo sy tsy nanana ahiahy,
Tsy nihevitra ny tsiron'ny fitia 'zay mbola hifarana.
Latsain'ny embo-nenina aho ka zary manatsiny
Ny sentosento reko mahangoly ny fanahy
Rehefa izaho mandalo amin'iny lalana iny.
...
Sambatra dia sambatra raha ito lalana ito,
Inoako dia inoako fa mbola mahatsiahy
Ilay fodiana hariva, fandalovana amy fito.


janahary
( Antananarivo, 20/02/13)
--------
Rohy:
1591 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : janahary
Nampiditra : kiriah
Daty : 13/07/2013 11:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137