Ny Foko Nanidina (Jean-Joseph Rabearivelo)

Lu par
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny foko nanidina

Ny foko nanidina ambony dia ambony,
Ary saika hisetra izay faran'ny avo,
Kanefa voadona, ka tsy afaka intsony,
Naratra ny elany, ka indro izy lavo .

Naniry hihoatra anao, ry masoandro
Mazava! Naniry tsy hijanona akory
Na toa dia mandroso ho hariva aza ny andro:
Ny alina tamy ary koa sorisory.

Koa aizina anio re no sisa mamonto,
Aizi-mitambatra sy mivangongo ....
Rotsiako mangina ny foko efa donto,
Ary safosafoiko ny masoko bongo.

Ah! toa hionona izany alahelo ...
Sy hafeniko mba hijanona angaha?
Oh! tsia, fa ny sentoko mamelovelo,
Ary izaho tsy mandre afa-tsy fofon-dra.

J. J. Rabearivelo
--------
Lien:
12288 4
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141