Ampidiro aloha ny tenimiafina
DISO IANAO (JERY)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Diso ianao raha hanginaNy hafa faly sy mibitaka
Diso ianao raha hanakiana
Ny tenanao ho ratsy vintana
.
Diso ianao raha hiondrika
Raha sendra olana mahamay
Diso ianao raha hamotika
Ny hoavinao mbola tsy hay
.
Diso ianao minia mikipy
Ny lanitrao mbola ho manga
Diso ianao raha haniry
Ny tenanao hijangajanga
.
Diso ianao raha hamono
Ny masoandronao tsy hihiratra
Diso ianao raha hampitombo
Ny ferinao tsy mbola sitrana
.
Diso ianao ka mihevera
Ny miaina tsotra ihany
Monina eto tsy ho ela
Sedra sy ady ny eto an-tany
.
JERY
Page ao amin'ny facebook: Tononkalon'i JERY
--------
Lien:
Fans:
landryjery
