Manana ny foko aho (JERY)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manana ny foko ahoManana ny foko aho
Afaka ny hitroatra
Rehefa atao tsinontsinona
Raha mba diso tia
Manana ny foko aho
Afaka ny hisaona
Raha toa ho fahoriana
Ny fandaozanao ahy
Manana ny foko aho
Afaka ny hionona
Raha zary ho fanenenana
Ny lasa efa vita
Eny,manana ny foko aho
Mbola afaka ny manantena
Misy anjarako any ho any
Fa vita hatreo ny amintsika
JERY
RAKOTOMALALA Tsiriniaina Landry
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
landryjery - rombanaina