Aza ambakaina (Joh)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza ambakainao aho raha toa ka tia anao
satria n'inon'inona lazainao sy teneninao
de fantatrao de fantatrao f'izaho de vonona hanao
satria masaka ato an-tsaiko ny fitiavako anao
zany anefa tsy midika fa tena adala be tokoa aho
fa odiako tsy hita ireo ratsy vitanao
voatampiko amin'ny hoe tena tiako ianao
ka mandefitra tokoa aho de aza ambakainao

Aza ambakainao aho ka hitantaranao abobo
lena be ny akanjoko fa nianjera tamin'ny dobo
fa nisangy ianareo: nifanondratondra-drano
ka niakanjo lena be ianao tonga tato an-tokantrano
de aza ambakainao koa aho hitantaranao izao sy izao
nolazainao fa nisy nangarona ny paosinao!
nefa ny ticket-nareo aza mbola tavela tao
ka aza manambaka vady rehefa mbola tiana ianao

Aza ambakainao koa aho hoe niasa alina ianareo
nefa ny tao am-paosinao nisy billet-na "Cabaret"
na de efa nanazava ianao zay aho vao mandre feo
de aza heverinao fa hoe tsy ho fantatro ianareo
aza ambakainao aho hoe misy tourné tampotampok'eo
nefa efa rendez-vous matotra ny anareo
mitondra zanak'entana tsy ahy ianao avy eo
de ambakainao aho hoe nifangaro izy ireo!

Aza ambakainao aho izay ny ahy no fiangaviako
aza ataonao tofoka ny foko ka hivadika ny diako
aza sembaninao rahona ny anjara fifaliako
fa raha mivadika eo ny rasa dia ianao no tsy ho tiako
aza ambakainao aho dieny mbola tsy miteny
aza ataonao tsinontsinona fa fitiavana ireny
aza rakofana alahelo ny fitiavako ombieny
fa raha mivadika eo ny rasa de handeha aho ka tsy hiteny

Aza ambakaina aho izay ny ahy no averimberiko
aza ambakainao aho izay no hany ambetiteniko
aza tohizana intsony ny fanambakanao mba tsy hipoitra ireo lainga
fa rha vaky batsilana ny resaka de handeha aho ka hanainga
tsy hoe miantsy aho raha toa miteny izany
fa ny foko no tsy mety fa mba fon'olombelona ihany
ka rehefa tsy ho zaka fa mitobaka ny rano
de voatery aho mandao ity atao hoe tokantrano

Mbola tiako aloha ianao ka miala nenina aho
de aza odianao tsy hita izao fitiavako izao
fa misy fetra ny fotoana indrindra ny fanaovan-dratsy
ka sao tsy zakanao ny valiny raha mipoitra atsy ho atsy

Joh 08/08/2005
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1965 4
Hevitra mandeha
Lepetitbeau ( 09/08/2005 11:45)
Ity tononkalo ity de nosoratako manokana ho anareo izay manambady mba handinika tsara ary koa ho anareo izay vao hiditra! Mahereza o!!!
bitaka ( 11/08/2005 08:34)
zany an! saotra e! efa fantatrao zà
gasitiako ( 16/08/2005 07:50)
fika mahazatra tokoa io, nefa hatraiza moa no fetran'ny atao hoe ratsy? sao de mba rivo-piainana mitsoka @ vaninandro iainana kosa, sa soatoavina malagasy, soa ihany fa malagasy fa tsy olana io ho an'ny vazaha, réaliste izy fa isika be morale, mahaiza mitsako ary dia mazotoa homana,
izay vita tsy anenenana,
ny ho atao no tandremana
fa rehefa tena tia
tsy maintsy mania
ka fitiavana no mibaiko
dia manaraka ny saiko
ka n'inon'inona lazainao
tiako ianao, tiako ianao
ka ho tsiniko ary ve
raha tsy fidiny ho ahy
ny hilaza hoe
ianao no fakam-panahy
betsaka no azo lazaina
momba io fitiavana io
fa rehefa voa tokoa mangaina
lazaiko anao @ fo madio
tia2005 ( 01/09/2005 11:39)
joh â! d tena tsy nihainana v izao zavatra soratanao izao ê? fa tena mahalasa fisainana ê!gaigy ilay fitiavana!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Joh
Nampiditra : Lepetitbeau
Daty : 09/08/2005 11:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115