Ny sigara (Joh)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny SIGARA

Mipololotra ny olona
Zary zesta zato izy
Heveriny fa ho tsara
Ts'inona izany fa ny SIGARA

Eny rehetra eny
De ahitana azy avokoa
Karazany maro tokoa
Ts'inona izany fa ny SIGARA

Mba saino ihany anefa
Fa mitera-doza izy ireny
Ka diniho ny tokony atao
Atsaharo re ny SIGARA

Ny SIGARA, Ny SIGARA
Tsy tsara ho an'ny fahasalamana
Toy ny afo mandoro
Ka zay lalovany may avokoa

Fahendrena ho ahy sy ho anao
Ny manaja ny manodidina anao
Koa handeha hiara-hanambara
Fa tsy mahasoa ny SIGARA

SIGARA SIGARA AMPY IZAY
SIGARA SIGARA AOKA IZAY
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Ady
3334 1
Mpakafy: Lepetitbeau
Hevitra mandeha
Lepetitbeau ( 21/07/2005 13:50)
Ity tononkalo ity izany de nosoratako t@ andro iraisam-pirenena @ fidorohana fa izao vao napetrako eto @ity site ity de anatra ho antsika izay mifoka sigara izy io dia mamakia finaritra daholo o!!!
tia2005 ( 02/08/2005 11:29)
ratsy tokoa ny sigara saingy rehefa azony sahirana vao afaka miala! kanefa tsy misy tsy vita rehefa ny finoana sy ny saina no matanjaka ê!
gasitiako ( 16/08/2005 12:21)
zaho koa aloha dia momba anao
zato isan-jato
satria mazava loatra fa poizina manimba
indrindra fa ho anao
izay manana fo vato
sy mpankafy ny mikirimba
na kofa na joba
miletra avokoa
ialao fa fopla
sy tsy mahasoa

misaotra lesy Joh
i gasitiako ihany
tohizo foana foana
misondrota hatrany
rainf ( 22/10/2005 17:25)
raha sendra adintsaina
no mandrehatra sigara
dia mirana ny saina
bedebe ny sipa tara

mampisinda sorisory
fa mandany ny dôlara
rehefa tsy mahita tory
areheto ny sigara
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Joh
Nampiditra : Lepetitbeau
Daty : 21/07/2005 13:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138