Ry taniko! (Joh)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamiko sy tiako ianao ry Taniko
Zay nahalatsahan'ny Tavoniko
Tao aminao no nipoirako
Ary koa mbola hiafarako

Vonona aho ry taniko
Ka izao no faniriako
Hanao zay azoko atao
Mba hampandrosoana anao

Rehefa tsy eto intsony aho
Ireo taranako mbola ao
ka izy ireo no ampianariko
Ny momba anao ry Taniko!
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1916 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Joh
Nampiditra : Lepetitbeau
Daty : 04/05/2005 11:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134