FA MANINONA ? (Laingo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa maninona ny olona rehefa tia amin’ny fo
No tsy maintsy mijaly mitondra faisana avokoa?
Fa maninona izy ireny no mitaraina tsisy farany
Fa ory sy fadiranovana noho ny amin’ireo malalany?
Fa maninona ary isika rehefa tofoka sy leo
Raha mba mitsotra hoe tsy tia dia misaraka hatreo
Fa tsy lasa mampirafy mifindra etsy sy eroa
Manao izay tena mahasosotra sady mamparary fo
Fa maninona isika no tsy mba mety ho tia
Ny fiarahana maharitra na mandrakizay doria
Izay manaja ilay fitia dia tena atao tsinotsinona
Inona no anton’izany …? Fa maninona e, maninona ?
Laingo RAMAROHAVANA
24/11/01
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1895 1
Fans: kelyb
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143