MAHEREZA (Laingo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha sarak’olon-tiana ka oriory izany foAza kivikivy akory fa atrako izany loha
Ekena fa tsy moramora ny zavatra toy izany
Nefa hoy aho aminao “atsaharo ny tomany”
Fikasana ihany anie no mba azonao atao e
Fa kosa ny fandaharana an’Ilay Ray ambony ao
Koa mahereza hatrany, hatanjaho ity fo
F’Izy Nahary ity tany, mahalala izay mahasoa
Koa aza kivy, mitrakà , f’efa izao no anjara
Dia ny lasanao rehetra avalony ho tantara
Fafao ny alahelo, atsaharo ny tomany
Fa raha iray no tsy tia, ny tia tsy mba lany
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Fans:
Zozoro