SAFIDIKO IANAO (Laingo)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satria safidiko ianao dia tsy maintsy hotiavikoTsy atakalo n’iza n’iza fa anankinako ny hoaviko
Ny fitiavana ato am-poko ho anao tsy zaraina
Na anio na rahampitso, hatrany am-para-pofon’aina
Be ny azoko tiavina, maro no afaka hitia
Nefa ianao irery ihany no andrandraiko ho doria
Ka na ory ianao na manana, na ho faly na tomany
Dia ho tiako lalandava raha tany koa ny tany
Tsy hoe tiako dia nofidiako mba hitantana ny diako
Fa nofidiako dia tena tiako ka hizarako ny fitiako
Ka n’inona n’inona hitranga, na ho mangidy na ho mamy
Efa safidiko ianao ka hajaiko hatrany hatrany
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana
Commentaires
Yagiz
(
09/06/2023 12:10)
Tsara loatra ty iray ty