AMIN'NY FOMBA AHOANA ? (LAVENONA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMIN'NY FOMBA AHOANA ?

Amin'ny fomba ahoana moa no haneken'ny sainy fa...omaly no ora farany hahitany ny olotiany ?
Mety hanao ahoana koa raha sanatria ka hainy hoe...
nindaosim-pahafatesana maraina tamin'ny dimy...
ilay tokana tsy foiny ?

Tsy namana intsony...ilay nanaovany voady hoe...
"Aina ao atao fetra ny amin'ny fitiavantsika !"
Sarotra inoana hoe nilentika sahady
ilay masoandrom-pahasambarany vao saika hibaliaka...
kanefa izay no lahatra !

Amin'ny fomba ahoana no hahafahako hampitony
sy mampandre ity mpianatra ao anaty fanadinana ?
Ny fanateram-boky moa dia tsy lazaina intsony fa...
mitaky fifantohana sy mila filaminana !

Ka amin'ny fomba ahoana ?
Aleo handrasako eto izay fotoana hiravàny
hiaretako eto foana raha ny ora hivoahany !
Hojoro sy hampahery izaho mba tena hahatsapany
fa tsy namany ny tenako fa tena anadahiny !

Lavenona
02/09/24
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
272 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0177