AVELAO NY HELONY ! (LAVENONA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AVELAO NY HELONY !

Andeha atao hoe iny...no mba fotoana farany
nahafahanao nihaino izay mba vetsovetsom-pony
fa tapitra eo ny pejin'ny bokin'ny tantarany
ka hihelina toa zavona izy tsy ho hita intsony

Ho sahinao ny hilaza ve fa hoe milamin-tsaina...
ka tsy hamoha ny lasa sy hanadino ny fisiany ?
Hiraikitra ao an-dohanao ilay feony nitaraina
nangata-pamelana tamin'iny ora iny...
fa dia lazaiko anao !

Andeha ary atao hoe izy...no tompo-pahadisoana
Andeha atao hoe izy...no diso saro-piaro
Fa amiko manokana matoa izy nifona...
dia vonona hiova , izay aloha fantaro !

Inoako marimarina fa ianao ilay fihantàny...
no hany fanafody hampisinda ny alahelony !
Ka raha toa anio no fara fahavelomany eto an-tany...
mandehana any aminy ka avelao ny helony...
mba iangaviako ianao...!

Lavenona
15/05/25
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
294 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119